<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ny rivotra mitsoka,
 Ny ala maitso mavana,
 Ny vorona misioka,
 Ny rano mikopaka,
 Ny hazo izay mamony, ny ando latsaka,
 Ireny rehetra ireny
 Dia mitory avokoa, ry Tompo
 Fa lehibe Ianao, fa lehibe Ianao,
 Ka midera Anao ny asan-tananao
 Mandrakizay.

[V2]
 Feno fahendrena
 Ny nanaovanao ireo,
 Asan-tananao 'reo
 Ry Andriamanitra doria.
 Kanto, tsara indrindra ankalazana Anao,
 Ireny rehetra ireny
 Ry Andriamanitra mahery
 Fa lehibe Ianao, fa lehibe Ianao,
 Ka midera Anao ny asan-tananao mandrakizay.

[V3]
 JESOSY</lyrics>
<title>DERAINA MANDRAKIZAY ASAFA26</title>
<hymn_number>26</hymn_number>
<author>Andrianarisandy RALAMBOMANANA</author>
</song>